|
Andriamanitra inoako
Ny andriamanitra inoako Dia andriamanitra fitiavana Tsy andriamanitra masiaka, mpanasazy Tsy andriamanitr' antoko Tsy mpanavaka foko Tsy mpijery harena na fihaviam-pirenena.
Fa ny andriamanitra inoako antra sady onena Ka ny olon-drehetra mahazo azy Tsy mpizara alahelo tsy mpamorona helo Fa izy no fitiavana.
Ny andriamanitra inoako Tompon' ny fahendrena Te hanova izay ratsy mba hotsara Tsy mba faly manjera na revolisionera Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany.
Ny andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana Tsy mba mila takalo fa mizara Ny mandray izay omeny No hany fandreseny Fa Izy no fitiavana! |